TANINKETSA INDOSTRIALY: Miantso ny Ben’ny tanàna hivondrona ny minisitra Edgard Razafindravahy

Ambatofinandrahana, Manandriana ary Fianarantsoa indray no nanohizan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny fidinana ifotony omaly Alakamisy 17 Febroary 2022. Hatrany hatrany dia manaitra ireo Ben’ny tanàna hitambatra anaty fikambanana izy ka hifanome tanana amin’ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy any amin’ny distrikan’izy ireo. “Ianareo Ben’ny tanàna izao no tokony hijery miaraka amin’ny Fitaleavam-paritra ny toerana ho asiana ny fitaovana hanodinana ny vokatra avy any aminareo ary mampalaza ny distrika tsirairay”, hoy ny minisitra teo imason’ny Solombavambahoaka, Governora, mpandraharaha ary solontenan’ny Kaoperativa sy fikambanana any amin’ny faritra tsidihany. Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny Velirano fahafiton’ny Filoham-pirenena moa ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy.

Vous aimerez aussi...