Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Boeny, Betsiboka sy Melaky:Entanina hivondrona anaty kaoperativa ny tantsaha mpamokatra.

?BOENY: Nampiofanina momba ny kaoperativa sy ny lalàna mifehy azy ny tantsaha ao Betsako, distrikan’i Mahajanga II. Misehatra amin’ny fambolena voatabia izy ireo ka voatabia 2 kamioa isan’andro no mivoaka ao amin’ny kaominina mandritra ny volana Aogositra sy Septambra. Ilain’izy ireo araka izany ny mivondrona anaty kaoperativa hanatsarany ny seha-pihariany. Mahatratra 220 ireo tantsaha ireo fa solontena isa-pokontany no nanatrika ny fanofanana.
?BETSIBOKA: Nanentana momba ny fananganana kaoperativa tao amin’ny kaominina Beanana sy Ambalanjanakomby ny DRICC sy ny FDA. Ny 22 sy 23 Aogositra 2022 no nanatanterahany izany. Ny DRICC moa nanazava ny tombontsoa azo amin’ny kaoperativa toy ny tohana sy fampitaovana ataon’ny Tetik’asa FDA. Nisy tamin’ireo nanatrika no naneho fahavononana ka nangataka fampiofanana momba ny fitantanana kaoperativa rehefa mahatafatsangana.
?MELAKY: Kaoperativa 18 misehatra amin’ny fambolem-bary no nahazo fanofanana avy amin’ny DRICC sy ny Tetik’asa AD2M ny herinandro lasa teo. Avy ao amin’ny kaominina Bemokotra sy Veromanga samy ao amin’ny distrikan’i Maintirano izy ireo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...