Vaovaon’ny faritra Menabe:Hitety ny kaominina ao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihana hampiofana ireo kaoperativa ny DRICC.

Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa AD2M (Tetikasa mitondra fanohanana sy fampandrosoana ny faritra Menabe sy Melaky) dia natomboka tamin’ny Talata 29 Marsa ary nitohy ny Alarobia 30 Marsa 2022 afak’omaly ny fidinan’ny DRICC any anivon’ny kaominina. Kaoperativa miisa dimy misehatra amin’ny fiompiana sy fivarotana tantely ary amin’ny fanangonana voa maina (tsaramaso, katsaka, tsiasisa, lojy ary voanjo) tao amin’ny kaominina Tsimafana no nahazo izany fampiofanana izany. Hitohy mandritra ny herinandro ity fampiofanana ho an’ny kaoperativa ao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihana ity.

Vous aimerez aussi...