📢 Fepetra Hentitra ho an’ireo tsy ARA-DALANA sy MPANARARAOTRA
Nitohy omaly ny fanaraha-maso notanterahan’ny mpitsirika eto anivon’ny MICA mikasika ny fanamarinana ireo antontan-taratasy maneho ny vidin’ny entana. Niompana tamin’ny fangataham-panazavana sy ny fangenjana vonjy maika ireo toeram-pivarotana izay nahitana fandikana miompefy. Noraisina izao fepetra izao satria tsikaritra fa maro loatra ary mitombo ireo fandikan-dalĂ na eny amin’ireo mpaninjara mikasika ny vidin’ny entana izay miantefa any amin’ny mpanjifa. Teny amin’ny faritra By Pass, Ankaraobato, Ankadindratombo, Andoharanofotsy, Ambondrona ary Andravoahangy no nanaovana ny fidinana izay niarahan’ny ekipan’ny MICA (Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana), ny SEG (Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenena) ary ny MSP (Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka).