📣 Vaovaon’ny faritra : Atsimo Andrefana
Nidina teny amin’ny tsena ny DRICA Atsimo Andrefana ho fanaraha-maso ny vidin’ny vary eny anivon’ny tsena kominaly, ny mpivarotra ambongadiny ary ny mpaninjara ny 14 May lasa teo. Tsikaritra araka izany fa efa miparitaka eny an-tsena ireo vary vokatra eto an-toerana. Toy izao ny vidiny hita :
1- TOLIARA I sy II :
– Vary Gasy : 500 – 550ariary/kapoaka
– Vary nafarana : 550ariary/kapoaka (raha toa ka 600 ariary teo aloha)
2- MOROMBE :
– Vary Gasy : 400 ariary/kapoaka
3- BEROROHA :
– Vary Gasy : 360 – 380 ariary/kapoaka
4- BENENITRA :
– Vary Gasy : 450 ariary/kapoaka
5- ANKAZOABO :
– Vary Gasy : 550ariary/kapoaka
– Vary nafarana : 550ariary/kapoaka
6- AMPANIHY :
– Vary Gasy : 600ariary/kapoaka
– Vary nafarana : 600ariary/kapoaka
7- BETIOKY :
– Vary Gasy : 600ariary/kapoaka
– Vary nafarana : 600ariary/kapoaka
8- SAKARAHA :
– Vary Gasy : 500ariary/kapoaka