Vaovaon’ny faritra ALAOTRA MANGORO: fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra : kaoperativa miisa 3 indray no tafatsangana
Mandray anjara fototra ao anatin’ny fanatanterahana ny
Velirano7 sy Velirano9 ny fisian’ny kaoperativa eny anivon’ny faritra sy distrika. Kaoperativa misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana telo hafa indray no tafatsangana ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola (kaoperativa SANDRATRA sy kaoperativa FANDROSOANA) sy Distrikan’Ambatondrazaka (kaoperativa MANAVOTRA). Isan’ny fanoitra fototra mitondra ny fampandrosoana isam-paritra ny kaoperativa ary indrindra mampitombo ny famokarana sy fanjifana eny ifotony.
Nisitraka fampiofanana mikasika ny fitantanana sy lalàna mifehy ny kaoperativa avy amin’ny ekipan’ny DRICC Alaotra Mangoro ny mpikambana ao anatin’ireto kaoperativa vao nitsangana ireto.