Vaovaon’ny Faritra Amoron’i Mania
“Ekooo!!! -Agnay e de faleee!!!” Tamin-karavoana tanteraka no nandraisan’Ambatofinandrahana ny minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny Alakamisy 17 Febroary 2022. Avy hatrany dia notarihin’ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Christine Razanamahasoa, hizaha ny sisa tavela tamin’ny ozinina MAGRAMA izay nanao asa vato granita sy marbra izy. “Efa nisy paik’ady narosony hananganana indray ny ozinina MAGRAMA”, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena nanoloana ireo tompon’andraikitra sy solontenan’ny hery velona vory tao amin’ny tranompokonolona. Tafiditra anatin’ny Velirano faha-7 moa izao iraka notanterahin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izao.