Atsimo Andrefana
Nandraisana fepetra ireo Fitaovam-pandanjana tsy ara-dalàna
Nidina teny an-tsena tao Toliara ny ekipa misahana ny Varotra ao amin’ny DRICC nijery ny kalitaon’ireo fitaovam-pandanjana ampiasan’ireo mpivarotra. Hita fa misy ireo mpivarotra mbola tsy nitondra ny fitaovana ho tsaraina ka nentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny DRICC izany nandalo fitsarana. Nahatratra 15 ny isan’izy ireo. Mbola misy ihany koa ireo fitaovana tsy ara-dalàna : ahitana andriamby sy firaka ireo vato mizàna.
Sary DRICC Atsimo Andrefana