Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra, Analanjirofo ary Atsinanana

👉

VAKINANKARATRA : Vokatra manana Kalitao ara-dalàna ho an’ny mpanjifa.

Nanao fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira amidy teny an-tsena tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Antanifotsy ary Mandoto niaraka tamin’ny Ivon-toerana isam-paritry ny fanjarian-tsakafo (ORN) ny DRICC nandritra ny herinandro lasa teo. Marihana fa voararan’ny lalàna ny fivarotana sira tsy misy ioda sy “fluor”.

👉

ANALANJIROFO : Tosika ho an’ny mponina.

Tokantrano miisa 2.920 no nisitraka fanohanana Vatsy Tsinjo tao Fenoarivo Atsinanana. Nifanome tanana tamin’ny fizarana sy fanaraha-maso izany niaraka tamin’ny Fiadidina ny Repoblika ny DRICC any an-toerana.

👉

ATSINANANA: Fanampiana ny mponina.

Tsena Mora miisa 14 no namatsy ny mponina tao Toamasina I sy II omaly 22 marsa 2022. Nizotra nilamina ny fanjifana ary afa-po ireo mpisitraka rehetra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...