Alliance nationale pour la fortification alimentaire(ANFA): Vonona ny Paik’adim-pirenena ho amin’ny famokarana sakafo fanovonantsoa

Tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina anatin’ny roa andro, nanomboka androany Alakamisy 1 Desambra 2022, ny Fivoriam-be faharoan’ny ANFA. Mandritra izany no hanehoana amin’ny fomba ofisialy ny Paik’adim-pirenena ho amin’ny famokarana sakafo fanovonantsoa. Ny ONN, GRET, PAM ary UNICEF moa no mpiara-miombon’antoka sy mpanohana amin’ny fametrahana izany paik’ady izany.
Ho dinihina mandritra izao fihaonana izao ihany koa ny  » Bokin’andraikitra » milaza fa tokony hahitana ny famantarana (logo) « TOVONANTSOA » avokoa ny fonosan’ireo sakafo fanovonantsoa (fortifié). Lafarinina sakafon-jaza, « barres céréales » , »moosli », vary fanovonantsoa, sira misy ioda sy « fluor » ary koba isan-karazany fanovonantsoa no anisan’ny vokatra efa misy famantarana amin’izao fotoana izao.
Miisa 04 ireo orinasa mamokatra ireo sakafo ireo izay efa manara-penitra sy ara-dalàna dia ny Nutri’Zaza, Agrikoba, Taf, PAM. Entanina hatrany ireo orinasa mpamokatra sy mpanodina sakafo ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza ary ny ankizy mba hiditra sy hanatevin-daharana ireo mpamokatra sakafo fanovonantsoa.
Solontenan’ny MICC manatrika izao hetsika etsy Antaninarenina izao ny avy amin’ny DPE, DPC, SQC ary ny DG BNM sy ny ekipany.

Vous aimerez aussi...