Andro maneran-tany: nentanina sy nobeazina ny mpandraharaha ara-barotra hahay hanaja ny zon’ny mpanjifa

Namaly ny fanasana nataon’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa (DPC) omaly ireo mpandraharaha ara-barotra toy ny Lehiben’ny Tsena, ny mpamongady ary ny mpaninjara nifampizara ireo fepetra sy lalàna velona ahafahan’izy ireo miaro ny mpanjifa.
Novelabelarina nandritra ny fifanakalozana ireo fepetra takiana amin’ny mpandraharaha ara-barotra toy ny fametrahana lalandava ny vidin’entana mazava tsara sy ny fitsarana tsy tapaka ireo fitaovam-pandanjana ampiasana eny an-tsena.
Santatra ambavarano ihany ny hetsika notontosaina omaly. Hitohy hatrany ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny mpandraharaha rehetra, ny fikambanan’ny mpanjifa sy ny fanjakana amin’ny alalan’ny MICC hiadiana miaraka amin’ny vidim-piainana.

Vous aimerez aussi...