Distrikan’ambatoboeny: Nentanina hivondrona anaty kaoperativa ny tantsaha mpamokatra lojy, voanjo, katsaka sy mangahazo

Ny distrikan’Ambatoboeny no mamokatra ireo vokatra ireo be indrindra raha any amin’ny faritra Boeny. Isan-taona dia mamoaka lojy 20230 T, voanjo 7790 T, katsaka 13010 T ary mangahazo 18400 T izy ireo. Ny 05, 06, 07 oktobra 2022 lasa teo ary dia, nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny kaominina Andranofasika, distrikan’Ambatoboeny ny ekipan’ny DRICC nampahafantatra sy nanentana momba ny Tetikasa « Taninketsa Indostrialy ». Natsangana koa ny koperativa tamin’ireo tantsaha eny ifotony izay misehatra amin’ny fambolena, toy ny lojy, voanjo, katsaka, mangahazo.
Maro ireo mpamboly liana tamin’izany. Ny mpamboly mangahazo dia vonona hiditra amin’ny matihanina, hiroso hanangana kaoperativa, ary mangetaheta ny hisitraka milina fanodinana mangahazo ho lasa lafarinina. Nisy ihany koa mpamboly sady mpandraharaha amin’ny voanjo izay efa nomena toromarika mikasika ny Taninketsa Indostrialy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...