Famatsiana ara-pitaovana ho an’ny FEDERASION’NY ANTENIMIERAN’NY VAROTRA SY INDOSTRIA ETO MADAGASIKARA

Ho fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisana aman-tserasera eo amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) sy ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina hanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia notoloran’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana fitaovana toy ny solosaina, “vidéo projecteur – écran de projection”, “émetteur de wifi” ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara izay handrindra ny fitsinjarana izany eny amin’ny CCI miisa 13 aloha. Ity famatsiana ara-pitaovana ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa TRF na “Trade Related Facility” ao anatin’ny SADC izay manohana ny minisitera eo amin’ny asa tanterahiny.
Ny MICA dia manentana hatrany ireo mpandraharaha ara-barotra hanatona ny CCI izay ivon-toerana goavana eny anivon’ny faritra afaka mijery ny fanohanana sy fanampiana ara-teknika eo amin’ny fandraharahan

Vous aimerez aussi...