Vitrine de vakinankaratra : Tranoheva 253 no hampirantian’ireo mpandraharaha ny vokany

Andro fahatelo sady farany amin’ny hetsika ara-toekarena “Vitrine de Vakinankaratra” izay tanterahana any Antsirabe ny anio. Fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha mampiseho ny vokatra vokariny. Tranoheva miisa 253 no hita mandritra izany ka anisan’ireo ny an’ny DRICC Vakinankaratra sy ny ANMCC (Manamahefam-pirenena misahana ireo fepetra fanitsiana ara-barotra). Mpikarakara ny hetsika ny Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra ary andiany faha-24 ity tontosaina ankehitriny ity.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...