Fampiroboroboana ny indostria:Haverina ahodina ny Orinasa fanaovana menaka Rainbow Oil any Ankadinondry Sakay

Nasain’ny DRICC Bongolava hiara-hidinika momba ny famelomana indray ny Orinasa mpamokatra menaka antsoina hoe : “Rainbow Oil” ao Ankadinondry Sakay ny Tale Jeneraliny mivady. Efa tsy niodina efa ela moa ny ozinina. Tapaka ary fa hatao Tolo-bidy ho an’izay Mpandraharaha vonona hampiasa ny milina ireo fitaovana harifomba fananan’ny Orinasa. Hiteraka asa vaovao sy hitondra voka-tsoa amin’ny famatsiana menaka eto amin’ny firenena ny fisokafan’io ozinina goavam-be io.

Vous aimerez aussi...