FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY INDOSTRIA ISAM-PARITRA
Notanterahina anio tao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra tany Ihosy Distrikan’ny faritra Ihorombe ny fanombohana ny fanomezana ny milina ao anatin’ny fandaharanasa ODOF na « One District One Factory » (indostria iray isaky ny faritra farafahakeliny) izay novolavolain’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana ary mifandray tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Velirano 7 (fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara), Velirano 9 (fahavitana ara-tsakafo) ary Velirano 6 (asa mendrika ho an’ny rehetra). Milina manodina ny akora samihafa ho lasa menaka no natolotry ny MICA izay notoloran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fomba ofisialy ho fanohanana ny mpandraharaha iray. Voafantina tamin’ireo mpandraharaha hisitraka ny fanohanana avy amin’ny Minisitera amin’ny alalan’ny fandaharanasa ODOF i Rtoa Sambo Fanjanirina Claudette izay mpandraharaha misehatra amin’ny fanodinana menaka ka nisitraka ny fanohanana tamin’ny alalan’ny fanomezana milina indostrialy na “unité de transformation industrielle”. Marihina fa afaka manodina akora fototra toy ny voanjo 4 hatramin’ny 5 taonina isan’andro ho lasa menaka ity milina lehibe ity. Hanampy sy hampitombo ny vokatra vokarin’ity mpandraharaha ity ary hanatsara ny kalitao ihany koa ny milina vaovao no sady mitondra sanda hary (valeur ajoutée) ho an’ireo vokatra. Miara-miasa amin’ireo tantsaha ihany koa izy amin’ny fandraisana ireo akora samihafa ankoatran’ireo famoron’asa efa haterany.
Hitohy amin’ny distrika hafa ny fanatanterahina ny ODOF arakin’ny fandaharanasan’ny eto anivon’ny MICA.