Fanaraha-maso ny fampiharan’ireo mpaninjara ny fepetra ara-barotra

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny fampiharan’ireo mpaninjara ny fepetra ara-barotra rehetra toy ny fananana taratasy fanamarinana vidin’ny entana, ny fametrahana mazava tsara ny vidin’ny entana. Anio dia nidina teny amin’ny tsena faritra Itaosy araka izany ny tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny mpanjifa eto anivon’ny MICA. Nandray fepetra hetitra avy hatrany ny minisitera ho an’ireo mpaninjara izay tsy nanana ireo taratasy manamarina ny anton’ny fiakaran’ny vidin’ny entana.

Vous aimerez aussi...