Fanatsarana ny asam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana

Nisy ny fihaonana niarahan’ny Minisitra eto anivon’ny MICA, Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA sy ireo mpiasa ECD (mpiasa mandritra ny fotoana fohy) lasa mpiasa ELD (mpiasa mandritra ny fotoana maharitra) ankehitriny izay miisa 242 ka hiparitaka eraky ny DRICA eny amin’ny faritra ho fanatsarana sy fanamafisana ny andraikitry ny minisitera manoloana ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Io teboka farany io dia notsindrin-dRtoa Minisitra hatrany nandritra ny fifanakalozana omaly tetsy Anosy.

Vous aimerez aussi...