Faritra Sava: Tonga hatrany amin’ireo tsena lavitra ny mpividy lavanila

Ambalavanio any Andapa sy Antsambalahy any amin’ny distrikan’Antalaha. Tanàna roa ambany ravinkazo any amin’ny faritra SAVA izay re niverimberina tamin’ny fampahalalam-baovao tato ho ato satria vao avy nandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tonga tany amin’ireo toerana ireo koa ny mpividy ny vokatry ny mpamboly lavanila ny Alatsinainy 25 Jolay 2022 lasa teo. Raha ny orinasa Sambavanille sy ny AFH no nigadona tany Ambalavanio dia nihazo an’Antsambalahy kosa ny SOMAVA.
Ny Alahady 24 Jolay 2022 moa dia orinasa mpividy lavanila efatra no niara-tonga tany Maroamby Sambava dia ny Vanipromad, Sullivan’s, Organic good and spices ary ny Excelia.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...