Fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo
Mandray anjara feno amin’ny fametrahana ny fahasalamana ara-tsakafo eto amin’ny firenena ny MICC amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC).
Ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo dia manomboka amin’ny famokarana ny vokatra hatrany amin’ny fanjifana azy ireny eny an-tsena. Nohamafisin’ny Tale Haingo Andriamadison (DPC) nandritra ny famelabelaran-kevitra ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo, ny 07 Jona 2022, ny anjara birikin’ny Minisitera sy ny Fitondram-panjakana eo amin’ity sehatra ity. Voafaritra mazava tsara izany andraikitra izany amin’ny alalan’ny fisorohana ny tsy hisian’ny entana ratsy kalitao eny an-tsena, ny fanadiovana ny tsena anatiny ary ny firosoana amin’ny fanapotehana ireo entana tsy manara-dalàna. Raha manao jery todika, tsiahivina fa nandritra ny taona 2021 dia ireto ny tarehimarika momba izany fandraisana andraikitra teo anivon’ny DPC izany :




« Efa misokatra amin’ireo rafitra maro samihafa toy ny ny ACSQDA, ny BNM ary ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny DPC ankehitriny», hoy hatrany ny Tale DPC.