Lalàna mifehy ny fitatanam-bola 2020
Natao tetsy amin’ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Antaninarenina ny fivoriana famelabelarana ny lalàna mifehy ny fitatanam-bola 2020 izay nivondronan’ny Foibem-pitantanana Ankapobe misahana ny hetra (DGI), ny Foibem-pitantanana Ankapobe misahana ny Fadintseranana (DGD), ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana ary ny solontenan’ ireo sehatra tsy miankina.
Nanolotra fanatsarana tamin’ ity lalàna mifehy ny fitatanam-bola ity ny Foibem-pitantanana Ankapobe misahana ny hetra (DGI) ka isan’izany ny fanovana mikasika ireo hetra eto an-toerana,ireo hetra amin’ny sanda hary (TVA), ireo hetra miditra ny sisin-tany (droits d’accises), ireo hetra alaina amin’ny firaketana am-boky ary ireo hetra amin’ny tsenan-draharaham-panjakana. Etsy andaniny, ny tao amin’ny Fadintseranana ihany koa dia nanolotra fanitsiana mahakasika ny fehezan-dalàna momba ny fadintseranana izay mikendry ny tanjona manokana amin’ny fanamorana ny fifanan-kalozana ara-barotra.