Vaovao songadina avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Boeny, Matsiatra Ambony
Alaotra Mangoro : SEHA-PIHARIANA LAVANILA
Tontosa ny 15 marsa lasa teo ny fivorian’ny CRV (Filan-kevi-paritry ny lavanila) natrehan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena izay voakasika mivantana amin’ity seha-pihariana lavanila ity. Nodinihana manokana nandritra ny fivoriana ny fisokafan’ny taom-piotazana 2022 ny lavanila maintso any an-toerana ka hatolotra amin’ny Minisitera Foibe. Raha ny vinavina sy ny zava-misy any amin’ireo toeram-pambolena dia eritreretin’ny CRV ho amin’ny 29 jolay 2022 izany fisokafan’ny taom-piotazana izany.
Boeny : FANJIFANA
Nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ihany koa ny DRICC tamin’ny alalan’ny hetsika fanentanana sy fanabeazana ny mpanjifa tao Mahajanga mikasika ny zony sy lalàna mifehy ny sehatry ny fanjifana. Nisy ihany koa ny fidinana teny an-tsenan’i Marolaka nanamarinana ireo fitaovam-pandanjana. Mizana miisa 55 no voamarina ka ny 7 tamin’ireo dia tsy nanana ny taratasy ara-dalàna toy ny « vignette » noho ireo mbola tsy voatsara.
Matsiatra Ambony : SEHA-PIHARIANA ILO FOTOTRA
Nandray anjara tamin’ny dinika tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria mikasika ny fampandehanan’ny didim-pitondrana isam-paritra momba ny famokarana sy fivarotana ny Ilo Fototra (huiles essentielles) any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny DRICC any an-toerana omaly 16 marsa 2022.