Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Diana sy Vakinankaratra
ATSIMO ANDREFANA: 500-550Ar ny kapoaka. Efa miakatra ny voka-bary ka nidina avy hatrany ny vidin’ny vary gasy ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambahikily (Distrikan’i Morombe), Bezaha sy Belamonty (Distrikan’i Beroroha sy Betioky Atsimo). Tsy misy atahorana ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro satria ampy tsara ny tahiry araka ny fidinana teny amin’ireo mpandraharaha ara-barotra ny 20 avrily 2022. Ankoatra ny vary izay efa mihena hatrany ny vidiny dia ahitana fitoniana kosa ny PPN sasany toy ny menaka, ny siramamy, ny lafarinina.
DIANA: Ao Antsiranana koa dia efa nahitana fidinany ny vidim-bary. Raha 1000Ar ny kapoaka tamin’ny roa herinandro lasa dia efa ahitana 750 Ar izany amin’izao fotoana izao.
VAKINANKARATRA: Nahitana fidinany ny vidin’ny entana maro indrindra fa ny Vary ao Antsirabe I. Izany dia noho ireo Vary vao efa miakatra eny an-tsena. Vidiana 2100Ar ka hatramin’ny 2700Ar ny kilaon’ny Vary gasy raha 2500Ar hatramin’ny 2600Ar ny makalioka. 2100Ar hatramin’ny 2500Ar ny kilao amin’ny Vary nafarana.