Varotra ivelany

Hiroso amin’ny fampandehanana ireo fitaovana hanatsarana ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra (fanondranana sy fanafarana entana) ny Komity Nasionaly momba ny Fanamorana ara-barotra (CNFE)
Fampandehanana ny Vavahadin-tserasera momba ny Varotra (PIC) sy ny Birao tokam-pandraharahana ara-barotra (Guichet unique). Isan’ny tetik’asa nentina teo amin’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny CNFE izay ahitana ireo mpandraharaha eo amin’ny Sehatra tsy miankina sy ny Rafi-panjakana nandritra ny Fivoriam-be voalohany amin’ity taona ity izany androany Alarobia 31 Janoary 2024 tetsy amin’ny Novotel Alarobia.
Ireo fitaovana ireo dia hipetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) entina indrindra hanamorana ny asan’ireo mpandraharaha eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra (fanondranana sy fanafarana entana) na eo amin’ny torolàlana sy torohay fampahalalana na eo amin’ny fikirakirana ireo angom-baovao rehetra ilain’izy ireo izany.
Nanatanteraka avy hatrany ny atrikasa hiarahana amin’ny Fikambanana eran-tany momba ny Varotra (OMC) ireo mpikambana ao anatin’ny CNFE taorian’ny Fivoriam-be ary haharitra hatramin’ny Alakamisy 01 febroary 2024 izany atrikasa izany. Hizara traikefa amin’ireo mpikambana ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny OMC Genève mikasika ny fanatanterahana ireo asa miandry ny CNFE sy fanazavana ireo fepetra ara-barotra araka ny fifanarahana eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra (AFE).
Tanjona napetraky ny Minisitera (MIC) izay Filoha mpiara-mitantana ny CNFE ihany koa ny fanohanana sy fampiroboroboana ny varotra ivelany. Nanentana ireo mpikambana rehetra ny Tale misahana ny Varotra Ivelany (DCE), Sadiah Razafimandimby izay nisolontena ny Tale Jeneralin’ny Varotra eto anivon’ny MIC ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fanomezan-tanana eo amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra miandry ny CNFE ho fampandrosoana ny tontolon’ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. « Zava-dehibe ny fanekena iombonana nataon’ny mpikambana momba ny fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra entina hampandrosoana ara-toekarena sy ny ara-tsosialin’ny firenena », hoy ny DCE nandritra ny famaranana ny Fivoriam-ben’ny CNFE.

Vous aimerez aussi...