đź“Ł Vaovaon’ny faritra : Amoron’i Mania

Manoloana izao ady amin’ny tsimokaretina Covid 19 izao ary tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny mponina any an-toerana dia tokantranona mpanao asatanana miisa 40 no natolotry ny DRICA Amoron’i Mania ka nisitraka ny fanjairana aro tava manaja ny fenitra 100.000 isa ho an’ny mpianatra ao amin’ny faritra. Ireo mpanao asatanana ireo moa dia marihina fa manana ny karatra mahamatihanina. Maro ny fikambanana isan-tsokajiny no mitady fiaraha-miasa amina mpanao asatanana matihanina mahakasika ny fanjairana aro tava. Eto dia manentana azy ireo ny DRICA Amoron’i Mania hanatona mivantana any amin’ny biraon’ny DRICA eny Ankeniheny raha mila fanampim-panazavana.

Sary nomena

 

Vous aimerez aussi...