🔥 Tsinjo: Ambohimanarina
Tsikaritra nandritra ny fitsidihan’ny mpanara-maso teto amin’ny MICA teny Ambohimanarina fa manaja ireo fitsipika aman-dalàna ireo mpivarotra eny an-toerana amin’ny ankapobeny: mametraka ny vidin’ny entana, manaraka ireo vidiny tokony ho izy ary mitsinjo ireo mpanjifa. Fepetra entitra kosa no raisin’ny MICA ho an’ireo mpivarotra izay minia mandika ireo lalàna mipetraka ireo.