Akon’ny fananganan-tsaina androany 06 septambra 2021

Nambaran’i Adriamatoa  Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy androany nandritra ny fananganan-tsaina niarahana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny ministera fa volana hikatsahana izay mahasoa ny volana Septambra tahaka izao.
Nandrisika ireo mpiara-miasa rehetra i Adriamatoa  Minisitra hibanjina ny mahasoa amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo tsirairay avy.
Manao ny ezaka rehetra ny fitaleavam-paritra manerana ny Nosy mitsirika sy manaramaso ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro. Tsikaritra fa efa misy vokany izany amin’ny fidinan’ny Vary, ny menaka, ny siramamy, ny simenitra…Hitohy hatrany ny ezaka.
Ny hafatra manokana avy amin’i Andriamatoa Ministra :”Ndao ifanome tanana, lalan-tsain’ny mpanorina ifotony izany”.

Vous aimerez aussi...