Ambohimanambola : Tsy poizina “toxique” ilay rano mivoaka avy ao amin’ny orinasa mpanodina poti-taratasy
Ambohimanambola : Tsy poizina “toxique” ilay rano mivoaka avy ao amin’ny orinasa mpanodina poti-taratasy Nidina ifotony teny Ambohimanambola omaly 04 oktobra 2021 ny mpanao fitsirihana ara-indostrialy avy eto amin’ny MICC nijery mivantana ilay orinasa mpanodina poti-taratasy ho lasa taratasy fidiovana raha vao naharay ireo fitarainan’ny mponina teny amin’iny faritra iny. Hita teny an-toerana tokoa fa misy ny rano maloto miloko fotsy tsy misy fofona izay avoakan’ity orinasa ity. Rano vokatr’ilay fanodinana taratasy antsoina hoe “composé de pâte de cellulose” izany. Manentana ny mponina ny avy eto amin’ny MICC ho tony tanteraka satria tsy poizina ho an’ny zava-manan’aina ary indrindra tsy tonga any amin’ny ranon’i Ikopa io rano io. Misy kosa anefa ny làlana mitoetra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana Malagasy manambara fa tsy azo atao ny mamoaka rano maloto tsy voadio. Nandray ny andraikiny ny minisitera ny amin’ny fampiatoana avy hatrany ny fivoahan’ny rano maloto avy amin’ny orinasa mandra-pahitana vahaolana maharitra ary nanaiky ny fandaminana natao ireo mpitondra ao amin’ny orinasa. Isaorana isika mpiray tanindrazana amin’ny fampandrenesana haingana ny minisitera raha vao mahita tranga ahiana mba ho tombontsoan’ny mponina.