Analanjirofo: Norarana ny mponina tsy hihinana ny hena avy amin’ilay fatin-trozona hita tany Rantabe
Taorianan’i Taolagnaro sy Morondava dia ny distrikan’i Maroantsetra indray no nisy fatin-trozona. Teny amin’ny sisin-dranomasin’i Rantohely, kaominina Rantabe no nahitana azy io afak’omaly Talata 23 Aogositra 2022 teo.
Rehefa tonga tany an-toerana ny zandary dia efa ampahany sisa no tratran’izy ireo tamin’io fatin-trozona io. Efa lasan’ireo mponina manodidina daholo ny ankabetsahany ary mbola maro ny vahoaka vory nijery sy naka an’izany. Norarana avy hatrany ireo olona ireo tsy haka ny henan’io biby io intsony. Nasaina nanajanona ny efa azony ireo mbola tratra teo an-toerana. Nalevina niaraka tamin’ny fokonolona ny hena tavela.
Nanaovana antso avo ny mponina mba tsy hihinana ny hena avy amin’io fatin-trozona io mba hisorohana ny aretina na fanapoizinana mety hitranga.