Fampahaizan’asan’ny sehatry ny Asatanana

Tontosa tany Toliara ny herinandro lasa teo ny hetsika fanamafisana fahaiza-manao eo anivon’ny mpanao asatanana manodidina ny asa fanodinana ny vokatry ny tany ao anatin’ny seha-pihariana sakafo nokarakarain’ny Foibem-pitondrana Ankapobeny misahana ny Asatanana eto amin’ny MICA niarahany niasa tamin’ny tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny mPiasa na FMFP sy ny Fikambanana Harena Mada ary ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Toliara. Mpanao asatanana miisa 86 no nisitraka izany fanohanana ara-teknika momban’ny antontan-taratasy fangatahana famatsiana ara-bola, ny fanaraha-maso sy fanombanana ny fiantraikan’ny lahasan’izy ireo izany. Mpanao asatanana miisa 48 ao anatin’ireo nampiofanina kosa no nisitraka ny karatra hetra sy karatra statistika.
Nitodi-doha nakany Fianarantsoa avy eo ny ekipan’ny DGA nanatanteraka ny fanofanana mpanao asatanana tany an-toerana ary miisa 119 ireo nisitraka izany ka 80 amin’ireo no notolorana ny karatra hetra sy statistika.
Sary DGA

Vous aimerez aussi...