Fanentanana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly amin’ny ambaratonga fahatelo mikasika ny tontolon’ny fandraharahana
Mitohy hatrany ny fanentanana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly amin’ny ambaratonga fahatelo mikasika ny tontolon’ny fandraharahana iarahan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (#DPE) eto anivon’ny #MICA sy ny #NextA. Ireo mpianatra tao amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra indray no nisitraka izany fanentanana izany.