Fanjifana: Amidy 3200Ar ny kilaon’ny siramamy Namakia eny amin’ireo mpaninjara novatsiana entana mivantana

Mpivarotra antsinjarany teny amin’ny 67ha, Anosizato, Namontana, Ambohimanambola, Mahazo sy Manjakaray no nanombohan’ny SPM sy ny MICC ny hetsika ny Alarobia 20 Jolay 2022 lasa teo. Nanaterana siramamy Namakia mivantana izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidin’entana indrindra fa ny siramamy. Amin’ny vidiny 3200Ar no hanjifana izany.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...