Fanjifana: Voasoroka ny loza mety hateraky ny fihinanana fatina trozona tsy fantatra antony tany Morondava

Efa nisy nalain’ny mpanjono ny nofon’ilay trozona hita faty tany amin’ny sisin-dranomasin’i Morondava, atsimo andrefan’ny fokontany Avaradrova. Soa fa tonga ny mpitandro ny filaminana izay nampandrenesin’ny sefo fokontany ka nahorona avy hatrany, tsy nisy nahazo nitondra nody, ny henan’ilay hazan-dranomasina.
Rehefa izany dia nakisaka teny amin’ny sisin’ny ranomasina teny Kimony ny vatan’ilay trondro tamin’ny Sabotsy 06 Aogositra 2022 lasa teo. Voalevina ny ampitson’io moa izy io ka tsy misy atahorana ny mety ho fihinanana azy. Tsy nisy lasa teny an-tsena araka izany ny hena tamin’io trozona io.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...