Alatsinainy 8 aogositra 2022, Lapam-panjakana Iavoloha: Dinika ara-piaraha-miasa andiany faha-10 eo amin’ny vondrona Eoropeana sy Madagasikara

Notontosaina androany 08 aogositra 2022, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny dinika an-databatra boribory andiany faha-10 mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana na « Dialogue de Partenariat » izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehan’Andriamatoa Giovanni DI GIROLAMO, Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara sady nitarika ny delagasiona sy Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta.
Maro ireo teboka niarahana nijery izay tafiditra indrindra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny roa tonta amin’ireo sehatra iaraha-miombon’antoka. Nojerena manokana ny mikasika ny toe-draharaha politika eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena, toy ny ady ao Ukraine sy ny fanomanana ny fifidianana izay ho atao eto Madagasikara amin’ny taona ho avy.
Nisy ihany koa ny fampahafantarana ny fandrosoan’ny asa amin’ireo tetikasa sy fandaharan’asa vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola ao anatin’ny FED faha-11. Voakasik’izany ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny fananganana fotodrafitrasa, ny fitantanana, ny famatsiambola ary ny fiaraha-miasa ara-paritra.
Tafiditra tao anatin’ny lahadinika ihany koa ny fifanaraham-piarahamiasa ara-toekarena toy ny APEi izay iarahana amin’ny Vondrona Eoropeana, ary ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny tsena Eoropeana.Nanamafy ity masoivohon’ny Vondrona Eoropeana ity fa ny tanjon’izao fihaonana izao dia ny hitondràna fampandrosoana tena izy ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy izay antenaina hipaka mivantana sy hitondra fihatsaram-piainan’ny vahoaka Malagasy.

Vous aimerez aussi...