Taom-piotazana lavanila maitso any alaotra mangoro: Tombanana ho 10 taonina eo ho eo ny vokatra hiditra amin’ireo tsena voaara-maso

Anisan’ireo faritra mpamokatra lavanila koa Alaotra Mangoro. Fanadihadiana nataon’ny DRAE no nahafantarana fa lavanila maitso 10 taonina no andrasana eny amin’ireo tsena voaara-maso amin’ity taona ity.
Mitohy hatrany moa ny fidinana any amin’ny tsenan-davanila maitso ataon’ny ekipan’ny DRICC Alaotra Mangoro na dia eo aza ny fahasarotan’ny lalana izay tsy maintsy atao dia an-tongotra kilaometatra maro. Ny 31 Jolay lasa teo dia tao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Vohimena Distrikan’Amparafaravola no nisy ny tsena.
Manaja hatrany ny vidy farany ambany 75 000 Ar / kg ireo orinasa roa izay manangona ny vokatry ny tantsaha any an-toerana dia ny Société SOA-HARI sy ny Entreprise HARITIANA.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...