Taninketsa Indostrialy

Amperin’asa ny MICC amin’ny fametrahana ireo Indostria hanodina ny vokatry ny tantsaha
Taorian’Ambatofinandrahana any amin’ny Faritra Amoron’i Mania dia mametraka ny ozinina fanodinana voanjo ho lasa menaka any Ankadinondry Sakay Faritra Bongolava ny ekipan’ny MICC amin’izao fotoana izao. Efa any Antananifafy Faritra Boeny koa ny teknisiana hampiodina ny indostria hamokatra siramamy avy amin’ny fary. Avy eo izy ireo dia hihazo an’i Mahatalaky Faritra Anosy handefa ny milina famokarana siramamy ihany koa. “Taninketsa Indostrialy iray tafapetraka midika fandresena iray”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
(Sary DRICC)

Vous aimerez aussi...