Fanaraha-maso ny kalitaon’ny sakafo amidy eny an-tsena

Namafisina ny traikefan’ny MICC mikasika ny fakana singa ho tiliana.
Tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina no nanatevenan’ireo mpiasa ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) eto amin’ny MICC ny fahaiza-manaony androany 29 Avrily 2022. Mikasika ny fakana singa eo amin’ireo vokatra ara-tsakafo amidy eny an-tsena no nanomezan’ny avy amin’ny ACSQD (Ivon-toerana manara-maso ny fiarovana ara-tsakafo sy ny kalitaon’ny sakafo) fampiofanana azy ireo.
Tanjona amin’izany ny fisian’ny vokatra ara-tsakafo mahafeno fepetra sy fisorohana ny fisian’ny entana ratsy kalitao amidy eny an-tsena.

Vous aimerez aussi...