Faritra Atsimo Atsinanana: Miakatra ny vidin’ny jirofo avy eny amin’ny tantsaha.

Velom-bolo ny tantsaha mpamokatra jirofo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Tafakatra 18.000ar mantsy ny vidin’ny iray kilao amin’ny vokatra raha 17.000ar izany teo aloha. Mihatsara koa ny kalitaon’ny jirofo. “Mahafapo anay ny vidin’ny vokatra jirofo amin’izao fotoana izao fa tsaratsara kokoa raha mbola miakatra noho io”, hoy ny mpandraharaha sady mpamboly jirofo. Manomboka ahitam-bokany ny fepetra fanadiovana ity sehatra ity indrindra amin’ny fahazoana fankatoavana hanondrana. “Tsy ekena ny kolikoly amin’ny fankatoavana hanondrana jirofo any ivelany. Tsy nisy na iray aza ny fankatoavana manokana hanondrana jirofo raha betsaka izany teo aloha”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy tamin’ny talata teo raha nihaona tamin’ny mpanao gazety. Tsinjovina amin’izany ny tantsaha mpamboly.

Vous aimerez aussi...