TANINKETSA INDOSTRIALY: Vonona tanteraka hiara-hiasa amin’ny MICC ny ao Fandriana
“An-taoniny ny mananasy vokatra ato amin’ny kaominina misy ahy ka miteraka toe-tsaina vaovao izao fanazavana izao”, hoy ny Ben’ny tanànan’i Sandrandahy. Afa-po ny tenany tamin’ny fanentanana nataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy amin’ny tokony hametrahana Taninketsa Indostrialy ao Fandriana, hanodina ny vokatry ny mponina. Naneho ny fahavononany koa ny solombavambahoaka raha nilaza fa efa manao ezaka ny distrikan’i Fandriana mijery ny tany, rano sy famatsiana herin’aratra ny toerana. “Tsy amelanay io raha tsy vita. Tsy hisy intsony ny voankazo lo sy simba”, hoy izy. Ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra samihafa any an-toerana ary ny mpandraharaha no nandray ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy Fanjifana androany maraina tao Fandriana.