Vaovaon’ny faritra Amoron’i Mania : Mandroso hatrany ny asa fametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY any Ambatofinandrahana

Nidina tany an-toerana ny ekipa notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Indostria Ramindo Gaëtan, nijery ny toerana sy trano hametrahana ireo fitaovana ho amin’ny tetikasa. Nihaona tamin’ireo kaoperativa tany Ambositra ihany koa ny delegasiona nidinika tamin’ireo mpisehatra voalohany ao anatin’ny TANINKETSA INDOSTRIALY. Nivoitra nandritra ny fidinana ifotony natao ny fijerena manokana ny herinaratra ho fampandehanana ny ozinina hapetraka.
Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny asa atao any an-toerana ny DRICC Amoron’i Mania.

Vous aimerez aussi...