📣 Dinika niarahan’ireo Mpisehatra rehetra mikasika ny Vidin’entana jifain’ny vahoaka andavanandro – Sosialim-bahoaka

Tontosa ny 12 Febroary 2021 lasa teo  ny dinika notanterahan’ireo mpisehatra rehetra izay rojom-piharian’ny entana jifain’ny vahoaka andavanandro : Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny mpanafatra entana avy any ivelany, ny tantsaha mpamboly, ny mpamongady, ny mpaninjara ary ny solotenan’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Laharam-pahamehana tamin’izany ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka amin’ny alalan’ny fandinihana miaraka ny tambazotra fitsinjarana sy fivarotana izany entana jifaina andavanandro. Ity atrikasa ity dia dingana voalohany goavana nampiraisana ireo mpisehatra rehetra ireo niaraka nametraka ny vidiny ara-drariny ny entana hita eny an-tsena ka ahitan’ny tsirairay ny tombontsoany ho toy izao manaraka izao :

âś…Vary nafarana ahitana 25% de brisures : 1750 Ariary/kg

✅Vary vokatra eto an-toerana (izay mbola ilaina fampiresahana manokana) 2400 Ariary/kg arak any fangatahan’ny mpanjifa

âś…Menaka anaty bidao: 5000 Ariary/litatra

âś…Siramamy nafarana: 2800 Ariary/kg

âś…Siramamy vita eto an-toerana: 2600 Ariary/kg

âś…Lafarina nafarana: 2400 Ariary/kg

âś…Lafarina vita eto an-toerana: 2200 Ariary/kg

 

⚠️Nanamafy Rtoa Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana fa araka ny tapaka nandritra ny fihaonana dia hipetraka manomboka ny herinandro ho avy izao ny fampiharana izany vidin’entana izany (structure de prix) eny an-tsena.

👉Araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny Alarobia lasa teo ihany koa ho tohin’ny sosialim-bahoaka dia azon’ny mpanjifa jifaina eny anivon’ny Tsena Mora rehetra irery ihany ny Vary Tsinjo amin’ny vidiny 1200 Ariary/kg ary 4000 Ariary/litatra ny menaka manomboka ny Alatsinainy 15 Febroary 2021 ho avy izao.

 

Vous aimerez aussi...