Voly fanondrana:Nivoaka ny tetiandrom-pisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso
Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nivoaka ny didim-pitondrana mamaritra ny tetiandrom-pisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso 2022-2023.
Faritra folo mpamokatra lavanila eran’i Madagasikara no voakasik’izany. Nialohavan’ny fivorian’ny Komity misahana ny fanarahamaso ny fitombon’ny lavanila na CROF sy ny Komity rejionalin’ny lavanila na CRV tany amin’ny faritra ny famerana ny tetiandro. Mba hahatsara ny kalitaon’ny lavanila manomboka any amin’ny fiotazana ka hatrany amin’ny fanondranana dia manaja an’io tetiandro io ny mpisehatra lavanila rehetra.
Marihina fa mbola mitana ny laharana voalohany i Madagasikara hatramin’izao amin’ny resaka fanondranana lavanila. Sady mampiditra vola vahiny betsaka tokoa ho an’ny firenentsika izy io no mamelona fianakaviana marobe.