📣 Vaovaon’ny faritra: Matsiatra Ambony

Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra nandritra ny fihaonam-ben’ny tanora izay nokarakarain’ny fandaharan’asa “Formaprod” ny DRICA Matsiatra Ambony. Ho fanamapiana ireo tanora any an-toerana eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy fanatsarana hatrany ny lalam-piharian’izy ireo dia niompana tanteraka tamin’ny ireto teboka ireto izany famelabelaran’ny DRICA izany: ny fandraharahana eo amin’ny tanora, ny tontolon’ny indostria, ny paikady amin’ny fampiroboroboana ny asatanana, ny fahitana lalam-barotra amin’ny tsena anatiny ary ny tombotsoa azo amin’ny fivondronana anatina koperativa.

Vous aimerez aussi...