ASA FANARENANA SY FANAMBOARANA NY IVON-TOERAN’NY ASATANANA MALAGASY ISAM-PARITRA BOENY (CERAM)

Fanabeazam-bohon’ny asan’ny mpanao asatanana sy fampiroboroboana ny seha-pihariana. Izany fomba fijery izany no nentin’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana nanohana ny asa fanarenana sy fanamboarana ny CERAM Boeny ary koa fananganana trano iray vaovao mitokana. Ireo foto-drafitrasa ireo dia mikendry indrindra ny fanamoran’ny fampiofanana isan-karazany, ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny mpanao asatanana ary ny mpanjifa. Ny CERAM Boeny dia sokajiana ho ivon-toerana hifaneraseran’ny tolotra sy tinady satria ahitana varotra sy fampirantiana hanamorana ny sehatry ny tsenan’ireo mpanao asatanana.
Isan’ny andraikitry ny MICA ny miantoka lalandava ny fahombiazana eo amin’ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ireo rafitra misahana ny asatanana ho matianina ary indrindra miantoka tontolo mifanaraka amin’ny fisandratan’ny toekarena malagasy.

Vous aimerez aussi...