Fandraharahana: Hifanome tanana amin’ny fanohanana ireo tanora mpandraharaha ny MICC sy ny JCI

Manana andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny famoronana asa ho an’ny tanora eto Madagasikara na aty Afrika na maneran-tany ny JCI (Jeune Chambre International). Ny ahafahana miara-miasa amin’izany indrindra no nahatongavan’ny Filoha lefitra iraisam-pirenen’ny JCI, ny Filoha lefitra 2023 JCI Madagascar sy ireo mpiara-miasa aminy tetsy amin’ny Minisitera tetsy Ambohidahy omaly Alakamisy 16 Marsa 2023. Nandray azy ireo ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana.

Hikarakara fifaninana ho an’ireo tanora manana tetikasa manerana ny Nosy moa ny JCI. Hisy ihany koa ny hetsika « Sommet du partenariat » izay sehatra iray hampihaonana ireo rehetra na avy amin’ny Fanjakana na tsy miankina na mpiara-miombon’antoka mba hanamorana ny fisitrahana tantsoroka ho an’ireo tanora marobe mpandraharaha na handraharaha. Naniry fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’ny MICC izy ireo amin’ny fanomanana ireo hetsika ireo. Nohazavain’ny Sekretera jeneraly ireo asa, tetikasa eto amin’ny MICC entina indrindra manampy ny mpandraharaha indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora. Nanambara izy fa vonona hatrany ny Ministera amin’ny fanampiana sy fanamorana ny hetsika toy izao.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...