FANJIFANA: Namaly ny filan’ny mponina ny Tsena Mora androany teto Antananarivo Renivohitra

Niverina nisokatra nanomboka androany 03 febroary 2022 ny Tsena Mora ho an’Antananarivo Renivohitra. Vao maraina dia efa nitandahatra ny olona hanjifa ny vary sy n’y menaka amin’ny vidiny mora. Nanodidina ny tamin’ny 11 Ora tany ho any dia efa lany avokoa ny entana amin’ny ankapobeny.
Nidina ifotony nanara-maso ny Tsena Mora ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Isan’ireo nolalovana ny teny Tsiadana, Anaty hazo Isotry, Andranomanalina I, Andranomanalina Centre, Avaratetezana Bekiraro, Antetezana Afovoany I, Ambodin’Isotry, Andranomanalina, Isotry, Besarety, Ankaditapaka Avaratra, Avaradoha, Ankorondrano
Novatsiana Vary Tsinjo 50kg 27 gony sy menaka 1litatra 21 baoritra avy ireo Tsena Mora.

Vous aimerez aussi...