Filan-kevitry ny Minisitra eo anivon’ny SADC

Nandray anjara tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra eo anivon’ny SADC ny firenena Malagasy izay natao tamin’ny alalan’ny “visioconférence” ka niarahana tamin’ny Minisitry ny MICA sy ny MAE izany.
Nodinihana nandritra ny fihaonana ny fomba fanatanterahana ny fihaonana tampony andiany faha 39 eo anivon’ny SADC izay miompana manokana mikasika ny tontolo mitsimbina ny fampandrosoana ara-indostrialy iarahana maharitra, fampandrosoana ara-barotra iarahana isam-paritra any ifotony ary ny famoronana asa ho an’ny mponina. Manoloana ny zava-misy ara-pahasalamana dia nibanjina ny fiantraikan’ny fisian’ny valan’aretina Covid19 eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ihany koa ireo minisitra ary koa ny fanohanana azon’ny eo anivon’ny SADC atao.

Vous aimerez aussi...