Inauguration du nouveau laboratoire du CTHT

Fanokanana ny laboratoara vaovao fitiliana ny vokatra legioma, voankazo sy zava-maniry fanaingoana ao amin’ny Centre Technique Horticole de Tamatave (CTHT) ny 11 novambra 2019 teo tany Toamasina, nataon-dRamatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana, Atoa Lucien RANARIVELO, Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono ary Atoa Giovani Di Girolamo, Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana. Ny Laboratoara mahafeno ny fenitra takiana toy izao dia zava-dehibe amin’ny fikatsahana ny kalitao mba ho entina hanohanana ireo vokatra fanondranana avy amin’ny fambolena sy ireo vokatra vokarina eto Madagasikara. Ny MICA dia manampy ny CTHT ao anatin’ny dingana amin’ny fahazoan’ny laboratoara fankatoavana ary mankasitraka ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ireo indostria kely isam-paritra amin’ny alalàn’ny fiofanana manaraka kalitao sy ny fanodinana ny vokatra. Nandritra ity fanokanana ity dia nisy ny fitsidihana ny fampiratiana ireo vokatra isan-tsokajiny hita ao amin’ny CTHT izay notanterahan’ireo delegasiona tany an-toerana.

Vous aimerez aussi...