Indostria malagasy
Fampiroboroboana ny indostria, Velirano faha-7 izay fanamby napetrak’Atoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho fampandrosoana ny firenena malagasy.
Dingana iray lehibe amin’ny fanatanterahana izany dia nanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fiverenan’ny fiodinan’ny orinasa SASM (Société Agricole Sucrière Malagasy) any Brickaville izay nikatona manomboka ny taona 2007.
Ny sehatra tsy miankina dia mandray anjara fototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny faritra misy azy. Ny orinasa SASM dia nisafidy ny teny famantarana hoe “Fampiroboroboana ny tànana”. Vokatry ny fisokafan’ny orinasa indray dia miisa 1600 ireo izay hisitraka izany ka hahazo asa indray ary mpamokatra ifotony miisa 800 no hiara-hiasa mivantana amin’ny orinasa izay tohanan’ny fandaharan’asa Fihariana amin’ny famokarany. ”
Isika eto Madagasikara dia efa nanondrana siramamy tamin’ny 25 taona lasa izay. Ankehitriny isika anefa dia manafatra 100.000 taonina isan-taona. Izao dingana izao dia manamarina ny fanatanterahana ny Velirano natao hamokarana izay ilain’ny vahoaka malagasy rehetra eto an-toerana avokoa. Ary indrindra entina mampiroborobo ny indostria manerana ny faritra eto Madagasikara izay laharam-pahamehan’ny minisitera.” hoy Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA tany an-toerana.