Vaovao Songadina avy amin’ny Faritra Boeny

Niakatra ny vidin’entana ao Ambato Boeny noho ny lalana ratsy, ny baka hiampitana, ny “transbordement”, sy ny saram-pitanterana nisodrotra. Mpamongady avy any Mahajanga no mamatsy azy ireo. Noho izany, nandray ireto fepetra ireto ny DRICC:
-fangatahana fiaraha-miasa amin’ny distrika mba hampandre avy hatrany raha misy tranga fanararaotana na fandikan-dalàna ;
– hampahafantatra amin’ny radio ireo adidin’ny mpanjifa ;
-fanomezan-tanana eo amin’ny fanaraha-maso ny fametrahana vidin’entana.

Vous aimerez aussi...